Tsy atoro ny rehetra intsony fa amin’ny fiainana, ilaina hatrany ny fitandremana. Mailo amin’izay rehetra atao satria malama maina ny lalan-kodiavina. Toy izany koa amin’ny fanatanjahantena, maro ny zavatra jerena mba tsy ho diso tanjona. Banjinina ny eo aloha, todihina ny ao afara, iherehana ny ao an-kavia sy an-kavanana. Mitovy izany, na eo amin’ny taranja ho an’olon-tokana na iraisana.
Matetika rehefa solafaka ny ekipa na ny atleta, manao jery vilana ny mpitantana. Voatsiny mafy izay nanao fahadisoana. Tsy te ho tomponandraikitra fa manilika hatrany. Aza atao vely ampongan’i Manendy ka ny an-dahiny dobohina mila ho afaka aina, ny am-baviny tambatambazana. Natao ho an’ny rehetra ny fandresena ary mbola ho an’ny besinimaro ihany koa ny faharesena. Tsy mety ny manao sakaizan’ny mpandresy. Zava-misy hita any anaty klioba ny hoe: Anao aho ka mora fa raha an’olona aho dia sarotra. Teny ilazana fa raha eo aminao ilay zavatra tsy asianao vidiny fa raha eny an-tanan’olon-kafa vao mahasarotiny. Miady irery ny atleta rehefa aty amin’ny sehatra ambany fa raha vao manomboka misondrotra sy manomboka misongadina, miseho avokoa iretsy tsy hita hatramin’izay. Aza atao vely ampongan’i Manendy ê! Aleo miara-miady ka na mafy na maro iaraha-miatrika. Ny voanatsindrana no tokana mahavita tena, fa ndeha hanao toy ny hety roa vao mahatapaka. Fakàna lesona ny faharesena ary ilaina ny mianatra mifehy ny tsy fahombiazana. Mety ho sarotra ny hanatanteraka izany kanefa rehefa iaraha-manao tsy maintsy vita. Ny kintana sy ny volana samihafa famiratra fa mifanotrona. Dia ho ambakan’izany ve ny atleta sy ny mpitantana. Koa aza atao vely ampongan’i Manendy, ny an-dahiny dobohina fa ny am-baviny tambatambazana.
Tompondaka