FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praimi­nisi­tra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, ny faramparan’ny herinandro teo, ny tala jeneralin’ny Bianco, Razaka­manantsoa Gaby Nestor. Nambaran’ny Prai­ministra fa nandroso ny ady amin’ny kolikoly teto Ma­dagasikara nanomboka ny taona 2019 noho ny fanamafisan’ny lalàna sy ireo rafi-pitsarana iadiana amin’izany.
Nitsidika ny fitsarana ambaratonga voalohany, Moramanga, ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis, ny faramparan’ny herinandro teo. Nojerena tamin’izany ny fanomezana “casier judiciaire” sy taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena. Hita fa nihamaro ny fangatahana amin’izao fanomanana fifidianana izao: 150 eo ny “casier judiciaire” nomena.
Nolavin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny fitoriana napetraky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, mahakasika ny fandavan’ny Ceni ny filatsahan-kofidiny. Tsy afapo ny mpitory, ary hisy ny fepetra horaisin’izy ireo saingy mbola handinika ireo tomponandraikitry ny antoko Tim, araka ny nambaran’ny mpisolovava azy ireo.
Tontosa omaly, ny andro faharoan’ny fihaonana an-tampony ho an’ny ho avy, karakarain’ny Centre du commerce international (ITC). Anisan’ny niatrika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, sy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, i Max Fontaine. Nodinihina nandritra izany ny fanampiana ireo tanora mpandraharaha ary nisongadina ny fifampizarana fomba fijery sy fanamafisana fahaiza-manao ara-barotra.

Partager sur: