Faritra Analamanga : nampiray hina ny Festival

Niavaka ny diabe natao tetsy Mahamasina sy nanodidina ny ranon’Anosy. “Tanjona ny fiverenan’ny fihavanana sy famerenana ny kolontsaina malagasy izay very noho ny adiady politika”, hoy ny govarnoran’ny faritra Analamanga, Rasoa­maromaka Hery. Tanjona ny hamerina ny kolontsaina eto Analamanga.
Ankoatra ny foire sy festival dia nisy koa ny fampisehoana niarahana tamin’ireo mpanakanto malaza. Nisy koa ny afomanga ny alina. Ny alahady, nifarimbona nanafana ny sehatra ireo mpihira ara-pilazantsara sy antoko mpihira.
“Mampiseho sarin’Analamanga mifaly sy mampiroborobo ny kolontsaina ary miray hina ny hetsika festival natao ny faran’ ny herinandro teo”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina, Volamiranty Donna. Endrika vaovao an’Analamanga izay faritra ivon’i Madagasikara, toerana misy ny ankolafin’ny fihaviana rehetra no hita. Miray hina amin’ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara.
Kolontsaina mampifoha ny hambompom-pirenena ary mampandray andraikitra ny olom-pirenena hijoro, handroso.
“Hitarina manerana ny faritra 24 ny Festival toy izao natao teto Analamanga izao”, hoy hatrany ny minisitra, Volamiranty Donna.

Tatiana A

Partager sur: