Arahaba soa, arahaba tsara: efa mandeha ny fidinana ifotony amin’izao? Na isan-tsehatra, na isan’ambaratonga. Mba tsy ho am-boalohany ihany… Tsy inona fa fijerena ny zava-misy amin’izay iainan’ny vahoaka andavanandro, famahana olana, firosoana amin’ny vokatra haingana sy mivaingana, misy fiantraikany mivantana… Amin’izany, mahita lazaina hatrany ny be tsingoloka isany: ahoana, hono, ohatra, izay tsy voatsidika amin’izany? Tsy ho vita koa ny mitety an’i Madagasikara, misy ny toerana niaviany no tena akaiky azy… Ny hevitra tera-bary, ary tsy ny olona maneho hevitra no jerena fa izay lazainy: mba marina, mahasoa, azo tanterahina….
Na izany aza, hadinon’ny sasany na odiany tsy hita fa misy ambaratonga sy rantsamangaika ny isan-tsehatra. Izay no iasana sy ampiasaina, miainga amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana sy izay asa fanatanterahana izany ary ny tanjona tratrarina. Mba fantatra mialoha izay (h)atao? Na lazaina izay atao, atao izay lazaina. Tsy haitraitra izay atao, tsy fahataitairana na famonoana afo… Amin’izay, tsy misy ny faritra na distrika hadino rehefa tena miasa ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, azo tsaraina izay vita na tsia: asa mivaingana sy azo tsapain-tanana, fa tsy fihetsiketsehana fotsiny, sanatria, hoe manao sy mahavita, raha tsy te hanan-dratsy ny tena.
Izay tena mahasoa ny vahoaka no iadiana sisika amin’izany, ary tsy hisy ny zanak’Ikalahafa amin’ny fampandrosoana. Miara-miady amin’ny fahantrana ary tena miady, miara-mandresy sy miara-mandroso koa. Vina mazava izany, fandaharanasa matotra, fanatanterahana marina… Amin’izay, hitampim-bava ny be tsingoloka amin’ity hoe fidinana ifotony? Hita eo fa tena mivaha ny olan’ny vahoaka, misy ny asa vita sy vokatra mazava… Eo ny vahoaka no mahita, miaina, mitsara…
R. Nd.