Franglish, mpanakanto mandalo eto Madagasikara : nahasarika vahiny sy Malagasy maro ny seho voalohany nataony

Maro mpankafy ny fampisehoana ataon’ny vahiny mpanankanto eto Madagasikara. Porofon’izany ny seho natolotr’i Franglish tetsy Mahamasina, omaly.

Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Ma­ha­masina, omaly, ny fampisehoana nataon’i Franglish, va­hiny mpanakanto malaza amin’ny fanaovana mozika rap. Seho voalohany notontosainy teto Madagasikara izy io. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara satria nahasarika vahiny sy Malagasy maro ny hetsika, feno tanteraka ny toerana. Hita nankafy izany avokoa na vehivavy na lehilahy. Nangotraka sy nafana ny seho. Nahasarika ny maro hanatrika izany ny fankafizana manokana ny hira vokarin’ ity mpanakanto mpanao “rap” ity. Ankoatra izay, “fanirian’ny mpijery maro ny te hahita mivantana io mpanakanto malaza amin’ny fanaovana rap io ka fotoana iray hanararaotana izao”, hoy ny mpankafy iray nanontaniana teny an-toerana.

Niakatra an-tsehatra tamin’ ny 6 ora sy sasany hariva
Dodona ary sasa-niandry ny fiakaran’ity vahiny mpanakanto ity ireo mpankafy maro teny an-toerana. Niakatra an-tsehatra i Franglish tamin’ny 6 ora sy sasany hariva mahery teo. Notsenain’ny mpankafy azy tamin’ny alalan’ny horakorakora sy kiakiaka mafy ny fahatongavany. Nitondrany ireo hira mampiavaka azy, izay maro mpankafy tokoa, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nanomboka tamin’ny telo ora tolakandro ny fizarana voalohany. Nanafana izany ny fandraisan’anjaran’i Shyn, Malagasy mpanakanto sy fampandihizana ireo mpankafy nataon’ny DJ Natoo. Nisy ihany koa ny dihy mampiavaka an’i Madagasikara nentin’i Jannia Blast’in.
Ankoatra izay, niavaka tanteraka ny fampisehoana, ho an’ny omaly, tamin’ny alalan’ny haingon-tsehatra sy ny jiro maroloko. Nikarakara ny hetsika ny avy ao amin’ny Moozik sy ny Universal Music ary notohanan’ny orinasa Telma Madagascar. Tanjon’ ireo mpikarakara ny hanome fotoana miavaka tsy hay hadinoana eo amin’ny mpankafy mozika malagasy sy vahiny.

Mino

Partager sur: