Ho an’ny EPP, CEG ary Lycée : mahatratra 66 375 851 500 Ar ny « caisse école » hotsinjaraina

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandefasana ny “caisse-école” ho an’ny EPP sy CEG ary ny “caisse de soutien” ho an’ny Lycée manerana ny Nosy. Hitohy koa ny fampisakafoana an-tsekoly eny anivon’ny ambaratonga fototra.

Ezaka ho fanamaivanana hatrany ny vesatry ny ray aman-dreny ny fanomezana ireo tohana avy amin’ ny fanjakana ireo. Ho fampi­harana ny mangarahara ma­hakasika ny fitantanana ny
« caisse école » sy ny « caisse de soutien » izay vola fampandehanan-draharaha eny anivon’’ireo sekolim-panjakana, nohamafisina ny fanaraha-maso ny fitsinjarana izany manerana ny Nosy. Voakasik’ izany ihany koa ny fampisakafoana an-tsekoly. Ny “Farim­bon’ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony” (FEFFI) no mitantana izany. Mpikambana ao amin’ny FEFFI ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny talen-tsekoly, ny olobe ao an-tanàna sy ny solotenam-panjakana eny ifotony.

Ho an’ny EPP, sekoly 26 565 no nisitraka ny tohana, na­nokanana vola mitentina 47 840 623 000 Ar. Ho an’ny CEG, miisa 2 819, mahatratra 10 120 296 500 Ar ny sora­bola ary ho an’ny Lycée 582, vola mitotaly 8 414 932 000 Ar no kirakiraina ho fampande­hanan-draharaha. Tsy mahazo maka vola amin’ny ray aman-dreny ny mpitantana ny sekoly ho fampihodinana ny asa fampianarana fa ny fanjakana no misahana izany, araka ny naoty navoakan’ny minisite­ran’ny Fanabeazam-pirenena.

Ho an’ny toeram-pisakafoana an-tsekoly, EPP 977 no hahazo vola ahafahana manome sakafo ho an’ny mpiantra 294 221, ho an’ity taom-pianarana ity. 8 229 953 145 Ar ny vola natokana ho amin’izany mandritra ny taom-pianarana. Iarahana amin’ny mpiray om­bon’antoka matetika ny fampihodinana ny toeram-pisakafoana amin’ny fahazoana vary, voamaina na akora hafa hatao sakafo.
Mampazoto ny ankizy ary mampiakatra ny tahan’ny tsy fandaozan’ny kilonga ny se­koly ny fisian’ny sakafo mafana zaraina isan’andro any an-dakilasy.

Vonjy

Partager sur: