INDRAY MIJERY

Nisy fifampizarana momba ny fanohizan’ny Malagasy fianarana ambony any Frantsa karakarain’ny Campus France eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga. Isan-taona ny fanentanana sy fampahafantarana toy izao ary tsapa fa mahaliana ny tanora vao nahazo mari-pahaizana bakalorea farany teo ny hetsika.
Nitrangana haintrano tao amin’ny Akany Avoko Bevalala, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy ny aina nafoy fa potika tanteraka ireo fitaovana sy fitaovam-piana­rana tao amin’ny trano fatorian’ireo zaza 34 tezaina ao amin’ ny Akany. Nitondra fanampiana teny an-toerana ny BNGRC. Trano lay efatra, kidoro 20, fandriana picot 20, vary 375kg, voamaina 75kg, menaka 45 litatra, lovia 45, sira 45 fono­sana ary akanjo fitafy iray gony no natolotra ny tomponandraikitry ny akany.
Nandritra ny fitsidihan’ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panjakana tao amin’ny fita­leavam-paritra Atsimo-Andrefana, nisy ny fihaonana tamin’ ny mpiara-miasa sy ny mpiara-miombona antoka amin’ny fampanjariana ny asan’ny minisitera manerana ny Nosy. Ampitoviana ny tadin-dokanga amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana sy fampisitrahana tolotra maha­valy ireo hetahetan’ny besinimaro.
Mitoetra hatrany ny alondrano miaraka amin’ny tsioka Atsimo any amin’ny morontsiraka afovoany andre­fana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hahery ny ranomasina manomboka eo Besalampy hatrany Mananjary. Misy ny filazana fampitandremana miloko mena, eo anelanelan’i Besalampy sy Vangaindrano ary fampitandremana miloko mavo, eo anelanelan’i Vangain­drano sy Mananjary.

Partager sur: