Karate-Analamanga : mpikatroka 200 nifaninana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’ Ana­­­lamanga, taranja karate. Mpikatroka 200, avy amin’ny seksiona 8, no tonga nandray anjara nandritra izany, ka niady ny tompondaka. Tafa­katra avy hatrany hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao any To­liara, ireo tompondaka isaky ny sokajy, nandritra ity fifaninanana rezionaly ity, raha ny nambaran’ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja ny karate. Tonga nanotrona ny fifaninanana teny Mahama­si­na ny filohan’ny Federasiona ny karate-do malagasy, Rate­finanahary Emile, izay nidera manokana ny ligin’Anala­man­ga. “Nivoatra be ny fikarakarana, izay tena nanara-penitra tokoa, niakatra ihany koa ny haavo teknikan’ny mpikatroka eto Analamanga”, hoy ny nambaran’ity filohan’ny FKM ity. Fandaharam-potoana ma­naraka miandry ny karate malagasy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Italie. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara kosa, ny faran’ny volana oktobra izao, izay hatao any Toliara.

Mi.Raz

Partager sur: