Lozam-piarakodia: nandriaka ny ra, vehivavy roa maty

Olona roa matin’ny lozam-piarakodia ny faran’ny herinandro teo. Ny iray vehivavy nofaohin’ny kamiaobe teny Malaza (RN1) mialoha ny hiditra an’i Fenoarivo, raha tany Farafangana (RN12) kosa ny vehivavy iray faharoa…

Nampihoron-koditra! Vehivavy iray avy nian­tsena no maty tsy tra-drano nofaohin’ny kamiaobe teny Malaza, ny sabotsy hariva teo. Handeha hody izy tamin’ io fotoana io ka teo amin’ny fiampitana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra izy no voafaokan’ilay fiarabe. Nipitika lavitra mihitsy izy vokatry ny dona mafy nahazo azy. Maty tsy tra-drano izy ka ny kapany sisa no tafajanona teo amin’ny toerana fiampitana. Nitsoaka avy hatrany kosa ny mpamilin’ ilay kamiaobe rehefa avy nan­dona azy. Niparitaka nanerana ny arabe ny sakafo novidiany.
Vehivavy iray 40 taona no maty, raha olona 17 hafa naratra mafy (fito vehivavy ka iray mitondra vohoka, lehilahy dimy, zazakely dimy). Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao Farafan­gana, ny sabotsy teo. Avy na­monjy fotoam-bavaka teny An­kariera, 5 km miala an’i Fara­fangana ireto olona no tra-doza tampoka ireto satria nifandona tamin’ny fiara 4×4 ny fiara nan­dehanan’izy ireo. Voalaza fa nisy fiara iray nijanona ka niala izany ilay fiara 4×4 kanjo nifanehatra tamin’ilay kamiaobe (tsy misy taksiborosy rahateo any an-toerana) nitondra ireo mpivavaka. Potika tanteraka ireo fiara nifandona. Nentina namonjy ho­pitaly kosa ireo niharam-boina.

J.C

Partager sur: