Vita tanteraka, ny sabotsy teo, ny fanavaozana ny biraom-pokontany ao Morafenokely Maevatanana rehefa tsy nisy fanatsarana nandritra ny 40 taona nijoroany. Nandray an-tanana ny asa rehetra ny fikambanana Zarasoa. Ankehitriny, voaloko tanteraka ny birao, voasolo ny valintafo sy ny rakotany, nosoloina avokoa ireo varavarana rehetra. Nasiana takelam-pamantarana ny biraom-pokontany raha mbola tsy nisy izany teo aloha. Vaovao sy manaraka ny fenitry ny biraom-panjakana ny biraom-pokontany ao an-toerana. Nasiana sainam-pirenena manoloana ny birao rehefa tsy nampiasaina nandritra ny taona maro ny tongon-tsaina. Namboarina ihany koa ny jiro ao amin’ ny biraom-pokontany rehefa tsy nandeha aman-taona maro. Asa niarahan’ny fikambanana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Amin’ny maha Fikambanana mpanao asa soa azy, tsy manao politika, tsy manavaka foko na finoana ny fikambanana Zarasoa. Manabe olom-pirenena vanona sy mampianatra ny fahaiza-miaina ny mpiara-belona izy ary manao izay tratrany manampy ireo sokajin’olona sahirana. Tsiahivina fa efa nanolotra seza miisa 10 ho ampiasain’ny fokontany Morafenokely ny fikambanana Zarasoa, ny 24 aogositra teo.
Ankoatra izay, nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa roa ho an’ny fokontany Ambatofotsy, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Maevatanana ihany koa ity mpanao asa soa ity. Tamberin’ adidy amin’ny maha zanaka am-pielezana avy any an-toerana no nanaovana ny asa fanavaozana ny biraom-pokontany.
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny biraom-pokontany ny filoha nasionalin’ny Fikambanana, Andriambeloniaina Zarasoa, sy ny mpandrindra ny fikambanana ao amin’ny distrika Maevatanana, Andriambeloniaina Faliarisoa.
Henintsoa H.