Rugby – «Top 12 Mada»: nisaraka ady sahala ny TFMA sy ny 3FB

Tsy nisy ny mpandresy teo amin’ny TFMA Ankasina sy ny 3FB Fahasalamana, nandritra ny andro fahenina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Top 12 Mada”, taranja rugby. Nisaraka ady sahala ny roa tonta, lalao nampitsanga-mitoetra ireo mpijery.

Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny taranja rugby “Top 12 Mada”. Lalao telo no voalahatra, anisan’ireo nandrasan’ny mpijery ny an’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny 3FB Fahasalamana. Nisaraka tamin’ny isa mitovy 20 no ho 20 ny roa tonta.
Niady hatramin’ny kiririoka farany ny fihaonan’ireto ekipa roa ireto. Nanao be fiavy ry Zef’Be, teo am-panombohana, raha nanao tosika be ry Garcia sy ry Tahiana nampian’i Anthonio. Minitra faha-10, tsy voasakan-dry Benja sy ny namany izany ka nahazo “essai de penalité” ry zalahy. Tsy nijanona teo fa mbola nahatsara “droap goal” indray i Rija, lasa 10 no ho 0. Teo vao taitra ny TFMA ka nampiasa ny tolotolotra haingam-pandeha narindran’i Mahery, nampian’i Njara, Heriniaina, Tojo. Nahitam-bokany izany, nahatsindry baolina ry zalahy saingy tsy voatsara ka 10 no ho 5 ny isa. Nanao valin-kafatra indray ny Zef’Be ka nampiasa ny “avant” hatrany. Tafaporitsaka i Tanjona, nahatsindry baolina nefa tsy voatsara,15 no ho 5. Nifamaliana avy eo ny fanafihana saingy ny TFMA no nahatonga baolina nentin-tanana, izay tsy maty. 15 no ho 10 ny isa izay netin’ny roa tonta niala sasatra.

Nivoaka sempotra ny Zef’Be

Fizaram-potoana faharoa, niezaka nanafika ny TFMA. Vetivety foana, nosahalainy ho 15 no ho 15 ny isa. Tsy nijanona teo fa nihoarany mihitsy raha mbola nahatonga baolina nentin-tanana indray i Benja saingy lesoka hatrany ny fitsaram-baolina. Nitarika 20 no ho 15 ny TFMA. Nivoaka sempotra ny Zef”Be vao nahasahala ny isa. Efa tany amin’ny 78 mn vao nahatsindry baolina tsy voatsara izy ireo ka nahasahala ny isa ho 20 no ho 20. “Lesoka ho anay ny tsy fahamatoran’ireo zandrikely. Vokany, tsy hita loatra ilay fahaiza-miaraka. Ny anton’ny mbola hilalaovako tsy misy manentana ry zalahy eny ambony kianja”, hoy i Benja.
Teo amin’ireo vokatra hafa, resin’ny Tam tamin’ny isa tery, 33 no ho 32, ny UAS Cheminots. TFA nanilika ny FTBA, 51 no ho 30.

Tompondaka

Partager sur: