Hatao etsy amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 26, 27 ary ny 28 septambra izao ny « Salon de la gastronomie », andiany faha-10. Hetsika tohanan’ny Telma Madagascar
sy hiaraha-miasa amin’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) ary ny Havila School. Omena sehatra ireo mpanentana sy orinasa madinika miompana amin’ny tontolon’ny sakafo sy ny fambolena mandritra ireo andro ireo. « Anisan’ny havoitra mandritra izany ny Herinandron’ny francophonie, mandritra ny 28 septambra », hoy ny mpika-rakara nampahafantatra ny hetsika, ny zoma lasa teo.
« Vavahady iray ahafahana misarika mpizahatany ny sehatry ny fikarakarana sy fandrahoana sakafo, mila homena tosika sy hampivoarana, araka izany, ny tontolon’ny sakafo », hoy Andrianavalonamahefa Richard, tomponandraikitra avy eo amin’ny Havila school. Azo atao ny misintona mpizahatany amin’ny alalan’ny fahaizana mikarakara sakafo fa anjaran’ny tsirairay ny mikaroka fomba hanaovana izany. “Mivoatra isan’andro ny tontolon’ny nahandro ary malalaka tsara ny sehatra hanaovana fikarohana sy hampivoarana izany”, hoy ity farany. Ilaina fifanakalozana ny sehatry ny kolontsaina ara-tsakafo isam-paritra satria hahazoana harena samihafa. Ahitana hetsika samihafa eny an-toerana, haseho koa ny karazan-tsakafo mampiavaka ireo firenena ivelan’i Madagasikara. Mahatratra 30 ireo mpandray anjara hampiranty ny vokatra. Manodidina ny 5 000 ireo mpitsidika andrasana ho avy hanatrika izany, mandritra ny telo andro.
Mino