Sehatra bagasy : handray «Redombe» ny Havoria

Totoafo ny famerenana! Anisan’ny toerana lehibe handray ny Sehatra Bagasy amin’ity taona 2024 ity ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy. Ny sabotsy 16 novambra izao no hotanterahina eny an-toerana ny seho « Redombem-pahatsiarovana ». Mpihira sy mpitendry bagasy maro no handray anjara amin’izany. Anisan’ny hampiavaka ity seho karakarain’ny Sehatra Bagasy ity rahateo ny fisiana sy fampandraisana anjara ireo tanora tia sy manandratra ny tontolon’ny bagasy.
Saika isaky ny faran’ny herinandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola no hanatontosan’izy ireo ny famerenana. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny an-toerana hatrany ny « sehatra malalaka », ifampizarana sy ifanakalozana traikefa eo amin’ny tsirairay.
Anisan’ny imasoan’ny mpitantana ny fikambanana Sehatra Bagasy sy ireo mpikambana ao aminy ny hampivelarana ny bagasy ka hahalalan’ny Malagasy sy ny hitiavany izany indray… Satria, ankoatra ny maha kanto azy, mampita hafatra mitondra fanabeazana mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny bagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: