TARATRY ny KANTO

Efa lany ny faran’ny herinandro teo avokoa ny tapakilan’ilay seho “Mena Masoandro”. Mbola amin’ny zoma 27 septambra izao anefa ity seho iarahana amin’i Olombelo Ricky, ao amin’ny La City Ivandry, ity. Nandefa fialantsiny ho an’ireo tsy nahatratra intsony ry zareo mpikarakara ao amin’ny RDJ. Tsy misy azo atao ho an’izay tsy nahazo, satria feno tanteraka ny toerana. Manome fotoana ireo tsara vintana kosa amin’ny zoma ho avy izao.
« Adieu monsieur le professeur. On ne vous oubliera jamais ». Io hiran’i Hugues Auffray io no na­nakoako teny am-bavan’ireo mpianatra tonga maro tamin’ny fametrahana ny nofo mangatsiakan’ny Pro­fesora Serge Henri Rodin, ny sabotsy teo, teny Ambo­diafontsy Ampitatafika.
Naneho ny fananan’ny mozika malagasy harena ny Angaredona mozika festival. Ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Naturia Palm Anta­nambao Ambohitrabiby no nanohizana ny fandaharam-potoanan’ny andiany faha-18 amin’ity hetsika ity. Ny sabotsy kosa ny fiakarana an-tsehatry ny Mash­manjaka naneho ny mozikan’ny an-tànan-dehibe. Ny Or’Maroloko nampahatsiahy ireo hira mirakitra ny hakanton’ny valiha sy ny lokanga, sns.
Mbola mitohy hatramin’ny 31 oktobra hoavy izao ny hetsika fampirantiana “Madagasikara lovako”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Varatava. Mampiavaka izany ny fampisehoana ireo tantara sy zava-misy eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy miavaka eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny hosodoka sy sary amin’ny pensilihazo. Tanjona ny hanentanana ny mpijery hanaja sy hiaro ny lova misy eto amin’ny Nosy.

Partager sur: