Nisongadina indray ny vehivavy malagasy mpilalao tenisy nandritra ny fifanintsanana “ITF World Tour Junior J30”, izay natao tany Ghana. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny olon-droa miaraka izy, raha nampian’ilay ganeanina, Sisu Makena Tomegah.
Nifarana omaly, tany Accra Ghana, ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja tenisy, “ITF World Tour Junior J30”, sokajy lahy sy vavy. Nisongadina teo amin’ny lalao ho an’olon-droa miaraka, sokajy vehivavy, Rajaobelina Iriela, Malagasy sy i Sisu Makena Tomegah, vehivavy ganeanina. Resin’izy mirahavavy nandritra ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 1, (2,6/6,3/13,1), ry Raja Sarvagnya Kilaru, avy any Inde sy i Alisha Ndukwu, avy any Grande Bretagne.
Tsara ihany ny mampahafantatra fa niatrika ny lalao ho an’olon-tokana ity vehivavy malagasy ity. Nahintsan’i Leila Akhmetova, izay laharana faharoa tamin’ity fifanintsanana ity, teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, seta 2 no ho 0 ( 6,1/6,4), i Iriela Rajaobelina.
Sarotra ho an’i Iriela tanteraka ny nandavo an’i Leila, lalao iray ihany no azony tamin’ny seta voalohany. Niezaka ihany nefa izy teo amin’ny faharoa ka mba nahita lalao efatra raha toa ka enina ny an’i Akhmetova.
Hanomboka anio ny “ITF J30” eto Antananarivo
Ankoatra izay, hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Club Olympique de Tananarive (COT), ny Leg I amin’ny fifanintsanana lalao iraisam-pirenena “ITF World Tennis Tour Juniors J30”, sokajy lahy sy vavy, U18. Hifarana ny 29 septambra ho avy izao kosa ity dingana voalohany ity raha toa ka hatao ny 30 septambra – 6 oktobra 2024, ny faharoa. Hanana ny lanjany ity fihaonana ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona, hahafahan’ireo mpilalao manatsara ny laharan’izy ireo eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena (ITF) izany. Manomboka amin’ny ampaha-32-ndalana ny fihaonana ho an’ny olon-tokana ary ampaha-16-ndalana ny olon-droa. Mivoaka ho mpandresy izay mahazo seta 2 voalohany.
Fitia Randria