VAOVAO TAMBATRA

Eo anelanelan’ny 6%-9% ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity volana septambra ity, araka ny vinavinan’ny roa ampahatelon’ny banky eto Mada­ga­sikara. Vinavinain’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa ho 8% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainaa amin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny vidin-tsolika, ny tahan’ ny fifanakalozana vola vahiny ary ny mety ho fiakaran’ ny vidim-piainana mandritra ny volana desambra

Mahatratra 250 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fiankinandoha amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. 1 200Ar (25 cents) ny vidin’ny famokarana nefa amidy 10 cents. Namory 431 tapitrisa Dolara hanatsarana ny fampia­sana angovo maoderina ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ka manohana ny fampiasam-bola amin’ny angovo azo avy amin’ny rano, amin’ny alalan’ny tetikasa Sahofika sy Volobe.

Voaresaka ny tetikasa fanodinana fako avy amin’ny indostria hahazoana Ethanol, ny tantsoroka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ary koa ny fampanarahana fenitra ny asa eny anivon’ny indostria ho antoka amin’ny fidiran’ny vokatry ny indostria eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ireo no votoatin’ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny solontena maharitry ny Onudi eto Madagasikara.

Partager sur: