Volley-Mada D1: nafana ny fifandonan’ny ASSM sy ny MVBC

Lalao 8 avy hatrany no nanokafana ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy “1ère division”, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana tontosaina eny amin’ny kianjan’Itaosy. Fifandonana anisan’ny tena niady sy nampitsanga-mitoetra ny mpijery ny lalao teo amin’ny MVBC sy ny ASSM, sokajy lehilahy. Tany amin’ny Tie Break, 15 no ho 8, no nivoahan’ny ekipan’ny Saint Michel ho mpandresy nanoloana ny MVBC, ka seta 3 no ho 2 no nisarahan’ny roa tonta. Ny ekipan’ny Saint Michel no nandrombaka ny fandresena teo amin’ny seta voalohany, raha toa ka nalain’ny MVBC ny seta faharoa sy fahatelo. Niady mafy ny seta fahefatra saingy niverina teo am-pelatanan’ny Saint Michel ary tsy namelany raha tsy azony hatramin’ny Tie Break. Teo amin’ny sokajy lehilahy hatrany, samy nahazo fandresena avokoa ny ekipan’ny GNVB 1 sy 2, nanoloana ny Mama sy Cosfa. Ankoatra izay, seta 3 no 0 kosa no namontsanan’ny Pole ny EVBI. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, lalao efatra no nitranga, ka toy izao ny vokatra: nahazo fandresena 3 no ho 1 nanoloana ny EVBI ny ECVB, nanilika ny Mami, tamin’ny seta 3 no ho 0, ny AMVB, nandavo ny AVBCA tamin’ny seta 3 no ho 0 ny Squad -X ary nandresy ny Bi’As tamin’ny seta 3 no ho 0 ihany koa ny ekipan’ny MVBC Boeny. Mbola hitohy amin’ity herinandro ity ny fifaninanana ary hatao ny faran’ny herinandro izao ny famaranana.

Mi.Raz

Partager sur: