Novelarina amin’ny tovoloahy ny fisitrahana ny fandaharanasa fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika ao amin’ny ambaratonga faharoa eo anivon’ny faritra hiasan’Ambatovy. Manomboka izao, hahatratra 25% ireo ankizilahy hisitraka izany raha toa ka laharam-pahamehana hatrany ny ankizivavy. Vatsim-pianarana 600 ho an’ny mpianatra 243 no efa nomen’Ambatovy mba hahafahan’izy ireo manohy fianarana. Vita Sonia, omaly, ny tovana atao amin’ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny orinasa Ambatovy sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny fanitarana ny fandaharanasa. Nanao sonia izany ny tale misahana ny fampiroboroboana ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha-olona, Lasmaydha Siregar, sy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.
Ankoatra izay, tontosa tamin’ny taon-dasa ny fandaharanasa valo hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana izay nahakasika ireo mpianatra hatrany amin’ny 8 000. Tao anatin’izany ny fanomezana vatsim-pianarana, ny tetikasa «University Grants», ny toeram-pisakafoana an-tsekoly. Tao ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana, ny «bibliothèque virtuelle», ny fampianarana olon-dehibe hahay hamaky teny sy hanoratra ary ny fitaterana mpianatra.
Nanatontosa : Henintsoa H.