« Angaredona Mozika Festival »: hanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto

Mozika miaina…Ilay mozika misy fanahy, iangalin’ny mpanakanto vory talenta ary raisin’ny mpankafy vonon-kivelatra no nanjaka nandritra ny « Angaredona Mozika Festival ». Nanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto maro nandray anjara izany.

Eny, vitsivitsy ny mpijery tonga. Fa ireo nanatrika kosa dia mpanjifa samy resy lahatra fa manan-karena ny mozika Malagasy. Nanom­boka ny alin’ny zoma, tamin’ny lanonam-panokafana teny amin’ny Canal Olympia, izay nitohy nandritra ny roa andro teny amin’ny Naturia Palm Ambohibao Ambohidrabiby. Nisy antony manokana avokoa no nisafidianana ireo tarika sy mpanakanto nandray anjara nandritra izany. Ny iraisana sy ny fanaovana ny mo­zika miaina. Teo koa anefa ny ezaka amin’ny fikatsahana ny tsenan’ny mozika, na eto an-toerana na any ivelany, satria sehatra ho an’izay indrindra ny “Angaredona Mozika Festival”.
Tsy resahina intsony Rajery sy ny mozikany. An­gamba izy no nahita “festivals” betsaka indrindra maneran-tany amin’ireo Malagasy mpanakanto. Voky traikefa amin’ izany, izay nentiny nozaraina isaky ny “Angaredona”. Nitsi­kom­bakomba taminy tamin’ity i Mbola Talenta, izay anisan’ ireo mpanakanto mpisintona ny namany hiakatra hatrany koa. Efa azo notsapain-tanana sahady ny vokatra.
Ohatra, maro ireo nandritra ny Angaredona vao nahalala ny hiran’i Mashmanjaka. Tsy nisy iray tsy vaky vava kosa anefa hoe, hay kanto toa izao na mozikan’ny lalana aza. Feno fikarohana, misy fototra ka tsy mahagaga raha anisan’ireo voafidy handray anjara amin’ny “Festival Antsika Jiaby” andiany faharoa, atao any Paris ihany koa, i Mashmanjaka. Antsabey, tarika iray avy any atsimo, ma­nan-kozaraina mihitsy eo amin’ ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Toraka izany ry Faby Belamaky, ZMG avy any Fianarantsoa, ry Mpamanga avy ao Antsirabe, Nainako avy any Androy, Tahiana Carine ary ry zalahy Feo Kanto.
Hain-dRajery sy i Mbola Talenta ny nitily ireo mpandray anjara. Ny nanatrika nivantana no vitsy, fa maro kosa ireo olona nanaraka ny seho nandritra ny telo andro, maneran-tany. Anisan’ireny ireo mpikarakara sy mpanodina mpanakanto any amin’ny tsena iraisam-pirenena, toa ny “festivals”, sns. Teo koa ireo Ma­la­ga­sy monina any amin’ny va­zan­tany efatra, nampihao­nin’ ny Angaredona tamin’ny mozika nandrotsy ny fanahiny. Mbo­la azo jifaina sy jerena ma­haritra ao amin’ny tranokalan’ ny “http://www.sehatra.com” www.sehatra.com ny “Angare­dona Mozika Festival” iray manontolo

.
Zo ny Aina

 

Partager sur: