Ho lova tsy mifindra

 

Mbola tsy manomboka akory ny lalao dia efa raikitra ny fifamotehan’ny samy kandidà ho ben’ny Tanàna. Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa hatrany amin’ireo heverina ho kaominina faran’izay madinika sy lavitra andriana aza. Tsy ny mpifanandrina politika, fa hatramin’ny mpiray lisitra sy antoko aza dia misy manao mpamosavy malemy.
Zava-dehibe hiorenan’ny fampandrosoana miainga avy any ifotony rahateo ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Tsy mahagaga raha manan-danja ka tafiditry ny kajikajy politika avo lenta. Indray mandeha tsy miverina raha tsy afaka dimy taona rahateo ny fifidianana. Ny mamingana mivantana, hatrany amin’ny fampidirana am-ponja, andaniny. Ny mamosavy sy misompatra ara-bakiteny, ankilany.
Ain-dehibe ho an’ny fitoniana politika sy toekaren’i Madagasikara ny fahatomombanan’ny fifidianana amin’ny 11 desambra ho avy izao. Tsy azo tsinontsinoavina na ny olona hirotsaka ho fidina na ny finiavan’ny mpifidy. Tsy mahagaga raha mivadibadika ny toe-daraharaha. Tsy misy ankitsitsy hatraty am-boalohany? Tsy misy toerana ho an’ny kely vovokaina.
Tany demokratika sy manaja ny fahalalahana anefa i Madagasikara. Malalaka ny lalan-kizorana ho an’izay vonona ny handray andraikitra. Mba ho olona resy lahatra amin’ny fandrosoana anefa fa tsy kandidà baikoan’ny fitiavan-tena lava izao. Izay rahateo ny olana sedrain’ny firenena sy ny vahoaka. Tsy laharam-pahamehana ilay fampandrosoana sy fandrosoana tiana hapetraka.
Zary raharaham-pianakaviana ifandovana rahateo ilay fitondrana ho an’ny afa-manao izany. Tsy voararan’ny lalàna rahateo ny fanaovana izany. Hatrany amin’ny toerana heverina fa faran’izay lavitra aza dia mihazakazaka ny fandefasana ny zanak’ingahy « mera » na ny rahalahiny,sns. Mihazakazaka ny fametrapetrahana ny mpianakavy amin’ ny fiarovana ilay tombontsoa manokana.

r.r

Partager sur: