INDRAY MIJERY

Nanara-maso sy nanombana ireo zava-bitan’ ny BNGRC amin’ilay tetikasa Mionjo any Anosy sy Androy ny Banky iraisam-pirenena, ny herinandro lasa teo. Delegasiona, ahitana manampahaizana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, solotenan’ny minisiteran’ ny Atitany sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ekipan’ny BNGRC…no nitsidika kaominina maro tany amin’ireo distrika iasana: kaominina Ambonaivo, Ambanisarika, Maroalomainty ary Sampona.
Fanambin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, araka ny fehezan-dalàna vaovao momba ny asa, ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny aro loza arakasa. Nandritra ny fitsidihana tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, notanterahina ny herinandro lasa teo, nisy ny fihaonana teo amin’ ny delegasiona notarihin’ny minisitra sy ireo tomponandraikitra ary mpiasa eo anivon’ny “Organisation médicale interentreprises de Toliara” na OMIT tany an-toerana
Hatramin’izao, nahatratra 260 ny mpilasaka an-tsitrapo japoney tonga teto amintsika vokatry ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Jica, hoy ny masoivoho japoney, raha nandray ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina izy. Misehatra amin’ny fambolena, fanabeazana sy sehatra marolafy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo.
Manomana hetsika eny Soarano ny ONG Nifin’akanga, ny sabotsy ho avy izao, ho fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zo ahafahana mampitsahatra vohoka misy antoka. Hatolotra mandritra izany koa ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka, mpanao gazety, mahakasika ny fanalan-jaza eto amintsika.

Partager sur: