Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany fahafito amin’ny “Fanadihadiana ny toe-piainan’ny ankizy sy ny vehivavy – Multiple Indicator Cluster Survey (MICS 7)” izay atao anatin’ny efa-bolana ka hahafahana manangona tondromarika ho an’ny famolavolana ny tetikasam-pampandrosoana.
Tanterahina amin’ity taona 2024 ity, manomboka ny volana septambra ka hifarana ny volana desambra, ny fanadihadiana ny toe-piainan’ny ankizy sy ny vehivavy (MICS 7). Tokantrano 21 000 manerana ny faritra 23 no hanaovan’ireo mpanao fanadihadiana miisa 150 (125 enquêteurs et 25 agents mesureurs) ny asa fandrefesana. Tanjona ny handrefesana ny fivoaran’ny ankizy sy ny vehivavy ao anaty tokantrano, ao anatin’ny herintaona. Ho hita ao anatin’ny MICS 7 ny 43% ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) sy ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hita ao avokoa ny sehatry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fanabeazana sy ny fiarovana ny ankizy.
Tafiditra ao anatin’izay koa ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy, ny fisakafoanana, ary eo koa ireo herisetra mpahazo ny ankizy sy ny vehivavy sns. «Ny fandraisan’anjaran’ny tokantrano tsirairay amin’ny famitana ny fanadihadiana MICS 7 dia ahafahan’ny firenena mahazo tombontsoa lehibe ho an’ny olom-pirenena. Anisan’izany ny fisian’ny tondromarika ara-potoana sy azo antoka ho an’ny famolavolana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny tetikasa fampandrosoana», hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, tamin’ny lahateniny.
Fampandrosoana
«Hanamora ny fandraisana fanapahan-kevitra hanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny antotanisa. Manampy amin’ny fanaraha-maso ny maridrefin’ny ODD koa izany», hoy ny tale mpisolo toeran’ny Ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa (Instat), Rajaobelina Jimmy. Hanampy amin’ny fandrafesana ny fivoaran’ny mponina ny fanadihadiana ka hahafahan’ny governemanta manatsara izany. Miara-miombon’antoka amin’ny dinika manodidina ny toe-piainan’ny ankizy sy ny vehivavy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ ny Instat, ny Unicef Madagascar, ny USAID ary ny Banky iraisam-pirenena.