Nitonon-tena ho mahay mamadika vato ho lasa “mercure” ny iray ary misoloky ho mahatafiditra ho mpianatra zandary ny iray. Saron’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy mpisoloky ireo, ny faran’ny herinandro teo.
Nokarohin’ny mpitandro filaminana rehefa nahazoana fitarainana avy amin’ny olona maromaro, ny fisian’ny lehilahy iray mitonon-tena ho manam-pahaizana manokana mamadika vato ho lasa “mercure”. Midina any amin’ireo toerana mbola betsaka mpamboly, mandresy lahatra ireo sokajin’olona ireo amin’ny fisolokiana io lehilahy io. Hainy ny mamadika ny vato ho lasa “mercure” lafo vidy. Asainy miantoka ny sakafony, ny vola lany rehetra miampy ny karamany amin’ny fanaovany io asa io ireo olona voasoloky. Mitety ladoany izy hanatanterahiny izany ary mitondra karazan’ody ratsy hampiasainy. Mody manao akanjo miavaka amin’ny andavanandro maka tahaka ireny olomasina ireny izy nisarihany ny olona ho jonoina. Nanao ny asa ratsiny hatrany Moramanga, Manjakandriana, Sabotsy Namehana sy Ambohimangakely io mpisandoka io. Tratra izy ka nosavaina ny entana teny aminy. Nahitana zavatra nifonofono teny aminy ka nosavaina. Nambarany fa entana lafo vidy izany kinanjo Bambou nofonosina sy vatokarangana..
Mahatafiditra ho mpianatra zandary
Ankoatr’io, lehilahy iray koa nosamborin’ny zandary. Nahazo lelavola 1 500 000 Ar izy tamin’ny fisandohana ho mahatafiditra ho mpianatra zandary, tao amin’ny fokontany Avarajozoro, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 20 septambra teo. Nolazainy fa tsy mila manao fifaninanana sy fanadinana ireo maniry handrafitra ny zandarimaria. Ho tambin’io, mandoa vola ireo fianakaviana roa samihafa ireo mialoha ny fotoana natanterahana ny fanadinana.
Tsiferana R.