SOMBIM-BAOVAO

Niady tanteraka ny lalao teo amin’ny TIIA BC sy ny Dalton, sokajy Vétérans, nandritra ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, natao teny amin’ny kianjan’ny fokontany Amboditsiry, ny alahady lasa teo. Isa 61 no ho 57 no nisarahan’ny roa tonta, ka nivoaka mpandresy ny ekipan’ny Dalton.

Nafana tanteraka ny lanonana nankalazana ny faha-50 taona niseharan’ny Coach Randrianarivelo Deda, teo amin’ny tontolon’ny basikety, ny faran’ny herinandro teo. Feno 45 taona ihany koa, ny naha mpanazatra an’i Coach Deda, teo amin’ity taranja ity.

Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, 1ère division, taranja volley-ball. Araka ny fandaminana napetraka, hafindra eny amin’ny ANS Ampefiloha daholo ny lalao rehetra tokony hatao eny Itaosy, ho amin’ny anio.

Mikarakara fifaninanana “Challenge Basket-ball 2024” , ny Seksiona basket-ball Antananarivo Renivohitra, ny 12, 20, 26 ary 27 oktobra izao. Ny sokajy U14, U16, U18 ary U20 no voakasika amin’izany, izay hifaninana amin’ny “All Star”.

Partager sur: