Taom-piofanana 2024-2025 : niakatra ny tahan’ny mpianatra miditra amin’ ny sekoly teknika

Nosokafana omaly, teny amin’ny toeram-pianarana teknika eny Mahamasina, ny taom-piofanana 2024-2025, niarahana tamin’ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny mpiara-miasa aminy.

Nampahatsiahivin’ny minisitra ny mpianatra sy ny mpiofana fa tsy diso safidy izy ireo nanatona ny toeram-panofanana teknika satria miankina amin’ny fahaiza-manao entin’izy ireo eny anivon’ny tontolon’ny asa ny fampandrosoana ny toekarena. Hamorona asa sy harena ny mpianatra mahavita fiofanana ary tanjona ny tsy hia­lan’izy ireo an-daharana mandritra ny taom-pianarana. Fomba fiasa nentin’ny minisitra hitondrana ny minisitera sahaniny ny fananana fijery hafa. Ny minisitera no manatona ny vahoaka manontany ny filany sy ny talentany azo hamoronana lalam-piofanana vaovao. Ma­nampy izany ny tetikasa fanorenana fotodrafitrasa vaovao sy fanitarana lalam-piofanana vaovao araka ny filana tsy mivaona amin’ny vina fampananana asa ny tanora sy fampiofanana mendrika. Amin’ny ankapobeny, 75% ny tahan’ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ ny ny sekoly teknika sy ny toeram-panofanana momba ny asa. Tsapa kosa fa mbola misy faritra somary ambany ny taha raha mihoatra amin’ny fianarana hafa, araka ny fanazavany ihany.

Nahandro sy taovolo
Nitsidika ny toeram-panofanana teknika eny Tsimba­zaza koa ny minisitra, omaly ihany. “125 ny mpiofana za­kan’ny foibe ary matetika voatery manda fisoratana anarana ny tomponandraikitra satria voafetra ihany ny efitrano sy ny fitaovana ampiasaina”, hoy ny talen’ny toeram-panofanana momba ny asa, Razakaboana Bakolinirina.
Afaka manaraka fiofanana avokoa ny olon-drehetra rehefa mahay mamaky teny sy manoratra. Fianarana informatika, mahandro, manjaitra, taovolo, mikarakara zaridaina ny lalam-piofanana atolotra. Ny nahandro sy ny fandraisam-bahiny ary ny taovolo no be mpisafidy indrindra. 10 ny mpampiofana ao amin’ny foibe ary maharitra telo volana ny fifehezana ny lalam-piofanana tsirairay. Niforona ny taona 2016 ny foibe ary anarivony ny mpiofana nisitraka fiofanana arakasa tao, tsy anavahana na lahy na vavy.

Vonjy

Partager sur: