Tratran’ny zandary teny Vontovorona, omaly, i Saoly sy ny namany tompon’antoka tamina vaky trano teo akaikin’ny tetezana hiditra ny tanànan’i Vontovorona. Nitondran’ireo jiolahy sarety mihitsy ireo entan’olona avy nangalariny. Nilaza izy ireo fa hamidy eny Anosibe ireto entana halatra ireto. Vao nivoaka ny fonja izy ireo dia izao nanohy ny fanaony izao indray.
Lavon’ny zandary tao Marovandrika Iabohazo, afakomaly, koa ny mpanao odibala sy mpampandro dahalo. Mpimasy anisan’ny malaza ratsy ao an-toerana izy ity sady mpampihorohoro. Izy no mpanome ody fandrisika hahavitan’ny dahalo habibiana mahatsiravina. Nahitana ody ratsy marobe teny aminy.