Hanao fivoriana miaraka tsy ho ela ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny USAID hamaritana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Io no tapaka nandritra ny fitsidihana nataon’izy ireo, notarihin’ny tale jeneraliny, Michelle Russell, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisitera Ampefiloha, omaly. Nandray azy ny minisitry ny Fampianarana teknika ary nanolotra sahady ny filana amin’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana teknika tena ilaina amin’ny fanofanana sy ny fampianarana eny anivon’ireo sekoly teknika manerana ny Nosy. Zava-dehibe koa ny fampiakarana ny lentan’ny fiofanana ho an’ny tanora.
“Tsy hijanona eo amin’ny fampiofanana fotsiny fa voaresaka koa ny momba ny vehivavy sy ny tovovavy ary ny VIH/Sida, satria mahasahana ny daholobe ny ady amin’ny aretina sy ny fisorohana eny anivon’ny sehatra rehetra. Hisy fiaraha-miasa momba izany”, hoy ny nambaran’ny minisitra taorian’ny fihaonana.
Vonjy