Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany : omena lanja ny tanànan’Antsirabe

Tanterahina ny 26 sy 27 septambra, ao Antsirabe, ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany. « Tanàna milamina sy mahafinaritra ary manaraka ny fenitry ny fandriampahalemana An­tsirabe, antony hanaovana ny hetsika any an-toerana » hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, omaly, teny Tsimbazaza. Ambohi-pihaonan’ny mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany io fotoana io ka handinihina manokana ny momba io sehatrasa io amin’ny ankapobeny ny andro voalohany. Hisy ny hetsika isan-karazany hanamarihina ny roa andro hanaovana ny hetsika.
Lohahevitra nosafidin’ny Firenena mikambana misahana ny fizahantany tamin’ity taona ity ny « Fizahantany sy fandriampahalemana ». Tan­jona, araka izany, ny « hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpisehatra, hampiroborobo ny tanànan’ Antsirabe ho toeram-pizahantany malaza ary hankalazana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fizahantany », hoy hatrany ny minisitra.

Vina

Hatao mandritra ny hetsika ihany koa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasan’ny ministera sy ny Tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP) amin’ny hanomezana fampiofanana maimaimpoana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy ireo mpanao asa tànana manerana ny Nosy. Ho jerena koa ny hamerenana ny sidina mampitohy an’i La Réunion sy ny faritra Atsimo.

Henintsoa Hani

Partager sur: