Fadintseranana: Volavolaina ny Drafitrasa stratejika 2025-2029

Mitohy ny fanavaozana ny fomba fiasa ao amin’ny fitantanana ny fadintseranana. Eo ny fanatsarana ny ao anatiny, ary miditra amin’ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra indray izao.

Atao eto Antananarivo, ny 24, 25 ary ny 26 septambra izao, ny atrikasa fakan-kevitra rehetra, amin’ireo mpandraharaha sy ny rafi-panjakana voakasiky ny varotra ivelany. Fotoana entina hanangonana ny soso-kevitry ny tsirairay, ahafahana mandrafitra ny Drafitrasa stratejika ho an’ny dimy taona manaraka (2025-2029). Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny ladoany malagasy, Zafivanona Lain­kana Ernest, omaly, fa fanohizana ny ezaka fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana natomboka ny taona 2019 (Drafitrasa 2019-2024) izao atao izao. Toy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, ny rafitra, ny fitaovana, ny mpiasa, … Rehefa vita ny fanatsarana anatiny, dingana manaraka ny fifandraisana amin’ny hafa sy ireo manan-draharaha amin’ny fadintseranana. Ao anatin’izany ny fanamorana sy ny fanafainganana ny fikarakarana ny entan’ny mpanjifa. Noraisiny, ohatra, ny any Ja­pon, firenena anisan’ny ma­tanjaka ara-toekarena, maharitra 2 ora sy 10 mn ny salanisa hikarakarana ny entan’ny mpandraharaha. Efa mandeha ny fanafainganana, ka raha tanjontsika ny ho 3 ora ny salanisan’ny fikarakarana, raha 6 ora ny enim-bolana 2024 teo ary andro vitsivitsy tamin’ny 2018.

Mihena ny masonkarena

Nambaran’ny filohan’ny Vondrona mpandraharaha tranzitera eto Madagasikara (GOPTM), Andriaman­dimbi­soa David, fa zava-dehibe ity fivoriana ity satria sambany no isian’izany fihaonana fakan-kevitra mivantana toy izao izany. Anisan’ny tombontsoa azon’izy ireo ny fihenan’ny fandaniana na ny masonkarena satria mihena ny fotoana lany. Andrasan’izy ireo kosa ny hampidinana ny saran’ny haba famoahan’entana satria mbola tena lafo ny eto Madagasikara. Hitohy any Toamasina ity fakan-kevitra ity ary hivoaka mialoha ny faran’ny taona 2024 ny Drafitrasa stratejika ho an’ny taona 2025-2029.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: