Fanodinana ronono : nivoatra ny kaoperativa Fimiviat

Misehatra amin’ny fiompiana ombivavy be ronono ny kaoperativa Fimiviat Aina, any Talata Volonondry, distrika Avaradrano. Nahazo ombivavy miisa 2 miampy masomboly hambolena vilona izy ireo, taorian’ny fangatahana tamin’ny Tahirimbola fampandrosoana ny famokarana (FDA) tamin’ny taona 2023. Tsy nitsahatra nivoatra sy nitombo ny fahalalan’ny mpikambana. Anisan’izany ny fiofanana fanodinam-bokatra avy amin’ny ronono sy ny fitantanana. Nentina nanangana toeram-pivarotana eto an-dRenivohitra, eny Manjakaray, ny tombony avy amin’ny varotra ronono. Anisan’ny vokarin’ny Fimiviat Aina, ny yaourt, ny fromazy, ny « milk shake », ny dibera, sns.
Nihatsara hatrany ny fiharian’ny kaoperativa sy ny fari-piainan’ny mpikambana, ankehitriny. Nahavita nandray anjara nandritra ny Foaran’ny famokarana ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FIA), ny 12 hatramin’ny 15 septambra teo, teny amin’ny Forello Tanjombato ity kaoperativa ity ary maro ny nitsidika sy nanjifa ny vokatra.

Njaka A.

Partager sur: