Tsy hisy tranga miavaka hanova ny firafitry ny toetry ny andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity. Hitsoka malefaka ny varatraza manomboka anio. Ho maina ny andro amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy. Tombanana hatrany ny orana ho an’ny morontsiraka avaratra atsinanana, ny maraina. Hisy fiakarana ny maripana, hanodidina ny 7- 25°C ny maripana ny maraina, eo anelanelan’ny 24 – 39°C kosa ny tolakandro.
Mikarakara fifampizarana momba ny herisetra an-tsekoly sy ny tranga mifandraika amin’izay ny fikambanana psy-kôzy Madagascar sy Stop Harcèlement Scolaire à Madagascarscar, ny sabotsy ho avy izao. Maimaimpoana ny fisoratana anarana amin’ny alalan’ny rohy : https://forms.gle/coSvnL3qcKchmDqAA, holazaina manaraka ny toerana hanatanterahana ny hetsika ho an’ireo liana.
Mitohy ny asa fanentanana sy fampahafantarana momba ny autisme. Hisorohana ireo trangana fanilikilihana sy fanavakavahana, nampahafantatra ny autisme tao amin’ny EPP Mahazoarivo I ireo mpikamban’ny autsime Madagascar, rantsana Vakinankaratra, nandritra ny fanombohan’ny taom-pianarana. Ankoatra izay, nanolotra fampitaovana ho an’ireo kilasy roa mandray ankizy manana fahasamihafana koa ireo mpikambana mandrafitra ny birao.
Handray ny vatsim-pianarana volana fahefatra hatramin’ny fahenina (telo volana) ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, manomboka rahampitso hatramin’ny zoma. Voakasika avokoa ny sokajy sy ny lalam-piofanana rehetra, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika.