Maro ny olana sedrain’ny fanabeazana : tsy ampy mpampianatra ny sekoly tsy miankina

Roa herinandro taorian’ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, mbola malaina manoratra anarana ny zanany eny amin’ny sekoly tsy miankina ny ray aman-dreny.

“Zara raha mahatratra 70% ny tahan’ny fampidirana mpianatra ary misy toeram-pampianarana sasany aza mbola latsak’izany”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. Miandry ny valin’ny fanadinana fitsapana mari-pahazaina eny amin’ny CEG sy ny lycée aloha ny ray aman-dreny vao manapa-kevitra hiroso hisafidy ny sehatra tsy miankina rehefa tsy tafiditra eny. Tsy ny fandraisana mpianatra ihany no mihisatra fa tsy mazoto mampianatra intsony ny tanora malagasy. Lasa mirohotra miasa any amin’ny asan’ny teknolojia vaovao avokoa ny olona nahavita fianarana satria miroborobo ny « call center » amin’izao fotoana izao. Mitaraina, noho izany, ny sekoly tsy miankina fa tsy ampy ny mpanabe. Sekoly efatra eto an-dRenivohitra no tsy manana mpampianatra kilasy 8ème ka voatery misahana kilasy roa ny mpampianatra iray ary manavesatra ny asany izany. Sahirana mitady mpampianatra ny tenim-pirenena vahiny koa ny sehatra tsy miankina fa manohy fianarana any ivelany (Canada, Suisse, Allemagne…) avokoa ny tanora tokony hampita fahaizana amin’ny Malagasy, araka ny nambarany ihany. Be olana rahateo ny sehatry ny fanabeazana, toy ny momba ny karama, ny fitaovana ampiasaina…, ka misalasala hiditra hampianatra ny mpandimby.
Ny ankizy sy ny tanora rahateo tsy mazoto hianatra fa ny fitadiavam-bola haingana no mahamaika ankehitriny satria tsapan’izy ireo fa mihena ny lentan’ny diplaoma malagasy vokatry ny tandrevaka miseho isan-taona mandritra ny fanadinam-panjakana.
Manana tombony lehibe ny Vondron’ny sekoly katolika noho izy ireo manana ny fanadinana azy manokana mano­mboka amin’ny CEPE hatramin’ny bakalorea. Manan-danja io diplaoma io ary takina raha hiditra amin’ny sekoly ambony sasany eto amintsika, hatrany ivelany.

Vonjy

Partager sur: