«Metal Madness Legends»: hiaka-tsehatra ny tarika Kazar

Tontosaina eny amin’ny Kianja Analamaitso Anala­mahitsy, ny sabotsy 28 septambra 2024 izao, ny «Metal Madness Legends ». Hetsika lehibe sy sambany eo amin’ny tantaran’ny gadona metaly izy ity. Tarika miisa efatra, samy manana ny maha izy azy, ny hiray sehatra mandritra izany. Anisan’izany ny Kazar, Apost, Egraygore ary ny Seth on fire. Haharitra adiny efatra eo ny fampisehoana ary samy vonona hampifaly sy hanome fahafaham-po ny mpankafy ny gadona metaly ireo tarika handray anjara ireo.
Hiverina an-tsehatra, taorian’ny fotoana maro tsy nahitana azy ireo, ny tarika Kazar. Ity tarika ity izay namakilay ny “Trash metal” teto Madagasikara. Ny taona 1986 no niforonany ary niara-nandroso sy nivoatra tamin’ny fandrosoana sy fivoaran’ny mozika, indrindra ny gadona rock sy ny mozika, izy ireo. Hitety vanim-potoana, araka izany, ity fampisehoana ity satria handray anjara amin’ity seho ity ny tarika sokajina ho zokiny sy teo antenantenany ary ny zandriny.
Ankoatra izay, hisy ny hetsika “Guitar Beatz Experience”, atao eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalàna, ny zoma 27 septambra 2024. I Milon, avy amin’ny tarika Kazar, no haneho ny talenta sy fahaiza-manaony amin’ny fitendrena gitara amin’io fotoana io.

Lin

Partager sur: