Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly I, “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo.
Nilaza ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa vonona tanteraka ny ekipa nasionaly Barea, hiady ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana “Chan 2024”. Efa miandry ny dingana faharoa amin’izany fifanintsanana izany ny Barea noho izy ireo nahazo ny laharana fahatelo tamin’izany, ny 2023. Ny mpanazatra moa dia ny Coach Rôrô ihany.
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ ny Kianja mitafon’ny fihaonana Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja taekwondo. Hetsika izay eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo, (FMTKD). Hatao ny volana oktobra ho avy izao kosa ny an’ny ligin’Analamanga.
Maratra i Rodri, espaniola mpilalao baolina kitra ao amin’ny Manchester City Anglisy. Araka ny fikarohana natao, omaly, mety tsy afaka hiatrika lalao mandritra ity taom-pilalaovana ity, i Rodri. Tsiahivina fa voadona nandritra ny lalao nihaonan’izy ireo tamin’ny Arsenal, ny alahady teo, ity espaniola ity.