Taksiborosy nivadika : roa namoy ny ainy, folo naratra mafy

Olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, afakomaly. Mpandeha 10 naratra mafy. Ankoatr’io, mpitondra bisikileta iray maty tetsy amin’ny lalam-baovoa Ivato.

Zaza valo taona ny iray tamin’ireo olona roa matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 202+ 500, fokontany Manjakavara­drano, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanana. Ny alin’ny alatsinainy 23 septambra no nitrangan’izany. Niainga avy any Bekitro, nikasa hihazo an’Ambondromamy io fiara io no tra-doza tampoka. Nivoaka ny arabe ilay taksiborosy tamin’ ny 11 ora alina. Nivadika ny fiara. Vokany, olona roa maty teo no ho eo. Naratra mafy ny mpandeha miisa folo. Niezaka nanampy azy ireo nitondra teny anivon’ny CSBII Maha­tsinjo ny mponina manodidina. Anisan’ny voa mafy, ny mpanampy mpamily. Nandritra ny voina, nitsoaka tsy hita izay nanjavonan’ny mpamily ity taksiborosy niharan-doza ity. Karohin’ny mpitandro filaminana izy amin’izao fotoana. Tsy misy ahina kosa ny ain’ ireo mpandeha naratra.

Mpitondra bisikileta

Maty tsy tra-drano koa ny raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mihazo an’Ivato, omaly tamin’ny 3 ora sy 30 mn. Fiara 4×4 iray nandeha mafy avy any Ivato no nifaoka ity raim-pianakaviana ity, araka ny tatitra nampitain’ ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. Mafy ny fifandonana satria tafapitika avy eny ambony bisikileta ilay ni­haram-boina. Vaky ny lohany, nandriaka nanerana ny arabe ny ra. Tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy nataon’ilay fiara 4×4 no nahatonga ny loza. Voalaza fa handeha hody ity raim-pianakaviana ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Nentin’ny polisy hanaovana famotorana ilay mpamily nahavanon-doza.
Olona miisa 11 kosa indray naratra mafy vokatry ny fivadihan’ny taxi-be iray mampitohy an’i Vassacoss sy Ivato, teny Maibahoaka, omaly maraina. Avy any Ivato hihazo an’i Tala­tamaty no nitranga ny loza. Nifanenjika tamina taxi-be iray teo aloha ny mpamily kanjo nisy fiara iray avy any Talata­maty nifanehatra taminy. Niala izany ny mpamily ka nivadika ny fiara. Mpiasa hamonjy toeram-piasana sy mpianatra ary mpiantsena avokoa ny ankamaroan’ireo olona tao anaty fiara. Nentina namonjy ny
ho­pitaly ao Ambohibao ireo naratra.

Tsiferana R./J.C

Partager sur: