TI-IM : « Ny lalàna dia lalàna amin’ny fifidianana »

“Ny lalàna dia lalàna”, hoy ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraky ny Trans­parency International – Initia­tive Madagascar (TI-IM), Ran­driamampianina Mialisoa, omaly. Manoloana ny fisian’ny mpirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna mitady tsy hanara-dalàna io. Ny olana: raha arahina tsara ny fanatanterahana zotram-pifidianana, be dia be tsy manara-dalàna ireo mpirotsa-kofidina. Hitam-poko, hitam-pirenena izay. Mahita ny ataon’ny olona ny mpanao gazety midina eny an-kianja. Efa hita ve hoe nisy olona nahazo fanasaziana noho izay tsy fanarahan-dalàna izay? Ho an’iza ny lalàna amin’ny farany? Rehefa ny olom-pirenena no hita sy tratra amin’ny tsy fanarahan-dalàna, tonga dia hoe iantsoana miaramila…
“Raha miteny isika hoe tena fifidianana no atao: mitovy izany ny olon-drehetra”, hoy izy. Matoa misy olona iray hoe ambony kokoa ny fahazoany manao zavatra: efa tsy fifidianana izay fa fiangarana na fanomezana tombondahiny manokana. Na amin’ny fahazoana miditra amin’ny haino aman-jerim-panjakana izany, na famindram-po amin’ny fandoavan-ketra mbamin’ny toy izany. Noho izany, tsy misy intsony ny fifidianana atao amin’izany. Moa ve kolikoly izany ? Kolikoly Moa ve izany tsy fanarahan-dalàna? Tsy fanarahan-dalàna. Moa ve izany tsy fanaovana tsinontsinona ny zon’ny olom-pirenena hifidy? Mila hiverenana ny fijerena an’izay. Raha vao misy ny fahadisoana amin’ny fifidianana amin’izany, diso ny fe-potoam-piasana manontolo. Dia tsy azo itokiana… “Raha miteny isika hoe misy kandidà ambony no ho ny hafa, tsy misy antony hanaovana fifidianana”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: