Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe lalaovin’olona telo miaraka, izay hatao any Dijon, amin’ity taona ity, i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe (FSBM), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo. Misy andininy efatra izany ka anisan’ny goavana indrindra ny fahafahan’ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany hiatrika ny fampivondronan’ny ekipam-pirenena malagasy.
Tsiahivina fa mbola hiatrika fifantenana avokoa ireo mpilalao voaantso hamonjy fampivondronana ireo. “Marihina etoana fa tsy hisy ny tombo sy hala ao anaty fifantenana fa ireo atleta rehetra, na eto an-toerana na avy any ivelany, dia handalo fisendrana mitovy mandritra ny fampivondronana. Ny vokatra azony no hifantenana azy.” Andininy faharoa amin’ny tapaky ny FSBM io.
Ho fanamafisana ny fangaharaharana amin’ity hetsika ity, hisy komity iray hatsangan’ny federasiona, ka hisy olona telo handrafitra izany. Olona iray avy ao amin’ny biraon’ny FSBM, iray filohana ligim-paritra, ary ny farany lehibena klioba. Hanara-maso ny fampivondronana hatramin’ ny fanapahan-kevitra farany izy ireo.
Nilaza ihany koa ireo mpitantana ao amin’ny federasiona fa hosaziana ireo klioba tsy mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena.
Fitia Randria