Asan-jiolahy, fanafihan-dahalo, fanakan-dalana… Izany no mby an-tsaina avy hatrany amin’ny hoe tsy fandriampahalemana na tsy filaminana. Nefa marolafy izay mety manakorontana ny fiainam-pirenena, indrindra ny fiainam-bahoaka. Anisan’izany, ohatra, ny krizy na korontana politika noho ny afitsoky ny mpanao politika sasany: miady tombontsoa, tsy mahalala afa-tsy ny ho azy, tsy mifanaraka… Fa tsy mampilamina ny fiainam-bahoaka koa ny fidangan’ny vidim-piainana: tsy voafehy, tsy misy iainana… Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa na misy ihany fa tsy mahavelona, ny fahefa-mividy ambany…
Tsy mampilamina ihany koa ny fiovaovan’ny toetr’andro: hanao ahoana indray? Tsy ampoizina mandrakariva, tsy hita iomanana… Nefa tena misy fiantraikany amin’ny fiainana. Voalohany sy lehibe amin’izany ny fahasalamana hoe voalohan-karena. Manampy trotraka ny famokarana: tsy hita be ihany nefa miantoka ny fiainana. Midona amin’ny fihariana sy ny toekarena ankapobeny… Manakorontana amin’izany atao koa ny fisian’ny kolikoly: tsy vita na ela izay atao raha tsy misy kolikoly? Mampifarirotra amin’izany ny kely eo an-tanana, lasa fahazaran-dratsy, vao mainka mampahantra…
Santionany ihany ireo… Marolafy ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana: mila famahana, fandaminana. Raha tsy misy vahaolana azo antoka sy mahomby ary maharitra, tsy ho marin-toerana izay hoe fampandrosoana. Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Nefa tsy misy koa izay hoe fandriampahalemana raha tsy misy fampandrosoana: ny tsy fisian’ny fandrosoan’izay atao no mampikorontana an-toerana. Aiza ho aiza izany rehetra amin’ny hoe tsy misy hadino? Na miara-mandroso, miaraka vahana ny olana marolafy.
R. Nd.