VAOVAO TAMBATRA

Tonga eto Madagasikara ny iraka mpanara-mason’ny Banky iraisam-pirenena hijery akaiky ny fandrosoan’ny asa, ny fitantanana ny volan’ny tetikasa fanaovan-dalana eto amintsika. Miisa telo ny tetikasa lehibe vatsiany vola, ny fanaovan-dalana (PDDR, PCMCI ary ny Pact). Voakasik’ireo ny lalam-pirenena RN10, RN5, RN4, RN12A, sns.

Miisa 23 795 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara nandritra ny volana aogositra teo. Niakatra ireo atontanisa ireo raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, izay 23 288, saingy mbola ambany noho ny tamin’ny taona 2019 izay tafakatra hatrany amin’ny 27 079. Na izany, mahavelombolo sy manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika.

Vita ny fankatoavana ny volavolam-penitra momba ny lavanila malagasy. Ho dinihina ihany koa ny famolavolana ny Drafi-pitsipika teknika hampiharina amin’ny taom-panondranana ny vokatra amin’ny taona ho avy. Nandray anjara tamin’ny dinika ireo mpandraharaha sy mpisehatra samihafa ary manampahaizana momba ny lavanila.

Nankatoavina ny 20 septambra teo, ny Drafi-panajariana ny faritra arovana (PAG) miisa 4, tantanin’ny Madagascar National Parks, mandritra ny 5 taona (2025-2029). Voakasik’izany ny « Montagne d’Ambre », Ankarana, Lokobe ary ny Nosy Tanihely, samy faritra Diana, tohanan’ny tetikasa Kobaby.

Partager sur: