Sady vaky loha no very vola ny mpitondra taxi-moto iray lasibatry ny jiolahy teny Alakamisy-Anosiala, afakomaly alina. Niainga teo amin’ny faritry ny 67 Ha izy sy ny mpandeha iray. Nitondra io olona io nizotra niankandrefana niaraka amin’ny moto. Tsy nanampo na inona na inona ity mpanao taxi-moto ity kinanjo nitondra antsy ilay mpandeha. Nanambana azy tamin’ny alalan’io zava-maranitra io. Nanery hanome ny vola rehetra niampy ny telefaonina. Niezaka nanohitra ilay lehilahy ka naratra mafy voavelin’ny hazo ny lohany. Notsatohan’ny tsy valahara antsy koa teo amin’ny tanany. Nitsoaka ny mpandroba. Noraisin’ny zandary an-tanana ny raharaha. Efa nahazo fitsaboana teo anivon’ny CHU Anosiala ilay voaendaka.
Tsiferana R.