Amboasary Atsimo : hafainganina ny fanodinana ny CRNM

Nidinika ny fomba enti-manodina haingana ny ivontoerana fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana (CRNM) ao Amboasary Atsi­mo ny tomponandraikitra no­ta­rihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Natao ho fiahiana ny mpiara-belona manodidina indrindra rehefa fotoan’ny haintany sy ireo karazana loza na tandindon-doza mety hitranga ny fotodrafitrasa. Natao handraisana sy hikarakarana ireo olona tena marefo ara-pivelomana sy ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny toerana.
Tetsy andaniny, nanatanteraka ny tetikasa “Zara Mira” sy ny fampivoarana ny maha olona ao Tsivory ihany koa ireo tomponandraikitra. Tet­ika­­sa natao hanome vahaolana ireo tokantrano marefo ara-pivelomana amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-bola mba hahaleo tena tanteraka ka afaka mihary ho an’ny ankohonany ny tetikasa.
Manodidina ny 5000 ireo fianakaviana marefo no misitraka ny fandoavam-bola fa­ha­folo tao amin’ny Kaominina Tsivory. Ny tetikasa «Zara Mira» dia tetikasan’ny fitondram-panjakana, arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, izay vatsian’ny Unicef vola ka ny Fid no mana­tanteraka eny ifotony.

Tatiana A

Partager sur: