Amboniavaratra-Ampanotokana : nohavaozin’ny Tozzi Green ny sekoly EPP

Nisitraka fotodrafitrasa moderina hianaran’ny zanany ny mponina ao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ampanotokana, distrikan’i Mahitsy. Triatra sady simba nandritra ny taona maromaro, tsy afaka nampiasa ireo efitrano fianarana ireo intsony ny mpianatra tao an-toerana. Na­noloana io, nandray an-tanana ny fanarenena ny sekoly ta­min’ny lafiny rehetra, ny orinasa Tozzi Green. Nohavoazina avokoa ny efitrano rehetra mandrafitra ny toeram-pianarana. Tsy vitan’izay, nisitraka latabatra, hatramin’ny kitapo entina mandranto fianarana ireo kilonga mianatra eo anivon’ity EPP ao Ambonia­varatra ity. Nankasitraka ma­nokana ny ezaka ataon’ny vondrona Tozzi Green ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-toerana. Voavaly rahateo koa ny fangatahan’izy ireo amin’ny fanamboarana hatry ny ela io sekoly io. Tsihiavina, nanavao ny lalam-bahoaka mirefy 11 km mahery miala ao Mahitsy mampifandray ireo tanàna anatin’ny kaominina Ampano­tokana ity orinasa ity. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny famatsiana ara-tsakafo ireo mpianatra amin’ny alalan’ ny «cantine scolaire» sy sehatra hafa koa izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: