“Festival The Court Behind” : handray anjara i Rova Andriantsileferintsoa

Fandraisan’anjara fanintelony amina fifaninana eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika saingy voalohany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity, ho an’i Rova Andriantsileferintsoa.

Hotanterahina ao La Réunion, ny 1 hatramin’ny 5 oktobra 2024, ny “Festival The Court Behind”, andiany fahenina. Fifaninana­na natao ho an’ireo Afrikanina mpanatontosa sarimihetsika, mpila ravinahitra. Miisa 13 ireo mpandray anjara, mpifaninana amin’ny hetsika mandritra ity andiany fahenina ity. Ho­ronantsarimihetsika avy ami­na mpanatontosa avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao. Manana solontena mandray anjara ao anatin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ilay horonantsarimihetsika “Hidy”, notontosain’i Rova Andriantsileferintsoa. Anko­atra ny fampihaonana ireo mpanatontosa maro samihafa, tanjon’ny “Festival The Court Behind” ihany koa ny fanaovana ireo horonantsarimihetsika avy amin’ny kaontinanta Afrikanina sy ny ampielezana ho hitan’ny besinimaro sy azon’ny rehetra jerena.
Tafiditra ao anatin’ireo ho­ronantsarimihetsika hifaninana handrombaka ny amboara, mandritra ny “Festival The Court Behind”, ny “Hidy”. Horo­nantsarimihetsika mitantara ny fiaimpiainan’i Hafatra, izay tomponandraikitry ny fiarovana sy ny fampiharana ny lalàna teo amin’ny toerana nisy azy ity, indrindra ny fandraisan’andraikiny raha nahafantatra fa anisan’ireo minia mandika ny lalàna, izay iandreketany ny zandriny vavy. Izany no nezahin’i Rova Andriantsileferintsoa notantaraina amin’ny endrika kanto ka noraketina an-tsary. Efa nandray anjara tamina hetsika sy fifaninanana teo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika, teto an-toerana ity “Hidy” ity. Anisan’izany ny “Viavy Film Festival”, ny taona 2023, izay nahazoany ny amboara “Tresse d’argent”.
Anisan’ny mampiavaka ny “Festival The Court Behind” ity ny fisian’ireo horonantsarimihetsika avy any Etats-Unis sy Caraïbes. Marihina fa amboara telo no hozaraina ao anatin’ny “Festival The Court Behind”. Anisan’izany ny “Prix Eli”, ny “Prix Makandal” ary ny “Prix Heva”.

Lin

Partager sur: