Hitondra vahaolana ho fanampiana sy fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Global Shield. Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro nametrahana ireo tanjona apetraka.
Tapitra omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny fandaharanasa «Global Shield against Climate Risks», fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahitana ireo firenena mandroso mivondrona ao anatin’ny G7 sy eo ambany fitarihan’ny firenena Alemana sy ny Governemanta malagasy amin’ny alalan’ny «Cellule Prévention et appui à la gestion des urgences» (CPGU), eo anivon’ny Primatiora sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Handrafetana rafitra maro ho an’ny fitantanana ny loza miaraka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny atrikasa. Nodinihina manokana ny hanetsehana ireo mpandray anjara fototra, ny hampahafantarana ny hetsika Global Shield. Hampahafantarana ihany koa ny tanjona sy ny tohana azo atao ho an’i Madagasikara. Kendrena ao anatin’ny fandaharanasa ny hampitombo ny fiarovana ara-bola, ireo toekarena sy vondrom-piaraha-monina marefo manoloana ny loza mety hitranga amin’ny toetr’andro. Misy, araka izany, ny fanampiana ara-bola amin’ny fampiharana mialoha ny fiatrehana izany.
Marefo
Firenena isan’ny mizaka ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara, antony hametrahana ny Global Shield ho fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo. Efa nisy ny rafitra fiarovana ara-bola napetrak’i Madagasikara ho fiantohana ireo loza voajanahary mety hitranga niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Na izany, mbola betsaka ny filana. « Hanampy ireo mponina marefo sy hitondra vahaolana vaovao sy maharitra manoloana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Global Shield », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Henintsoa Hani