Firotsahana Ben’ny Tanana: Mbola azo atao ny mitory

Na feno na tsia ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, mijanona anio amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana izany eny amin’ny Ovec. Ara­ka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Seheno, teny Alarobia, omaly. Aorian’izay, manana 72 ora handraisana fanapahan-kevitra ny Ovec. Aorian’izay hampahafantarina ny lisitr’ireo mirotsa-kofidina hahazoan’izy ireo manao ny ambaratongam-pitarainana amin’ny fifanolanana misy. Fitondrana ny raharaha eny amin’ny Ceni. Manana 48 ora indray ny Ceni handraisana fanapahan-kevitra. Raha tsy miravona amin’izany ny fifanolanana, zon’ny mpirotsa-kofidina sy ny lisitra ny mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana, raha lavin’ny Ovec ny firotsahan-kofidina. Nahatratra 2 922 ny lisitra voarain’ny Ovec 120 manerana an’i Madagasikara, raha ny omaly tolakandro. 29 978 ny isan’ny olona mpirotsa-kofidina amin’izany lisitra izany. Efa saika naharaisana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ireo kaominina rehetra manarena an’i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: