Fivoriambe faha-79 ny Firenena Mikambana : niantso ny rehetra hiray hina sy hiombona i Antonio Guterres

Nifantoka kokoa tamin’ny fanentanana ireo mpitondra fanjakana hitambatra ho tombotsoan’ny taranaka ho avy sy fametrahana hoavy tsaratsara kokoa, ny lahatenin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana.

Tanterahina any New York, ny 22 hatramin’ny 27 septambra 2024, ny fivoriambe faha-79 ny Firenena mikambana. Nandritra ny ka­barin’i Antonio Guterres, Se­kre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana no nanaovana an­tso avo, ho an’ny mpitondra fanjakana rehetra mba hiombona sy hiray hina manoloana ny zava-misy maro samihafa atrehan’izao tontolo izao. Ani­san’ny nasongadiny tao anatin’izany fandraisam-pitenenany izany ny mahakasika ny fiatrehana ireo fiovana maneran-tany, ny fandrosoana mankany amin’ny tontolo marolafy, ireo asa sy firaisankina tokony hatao ary ny fandraisana andraikitra ho an’ny taranaka ho avy. Marihina fa lohahevitra mandritra ity fivoriambe ity ny hoe “Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, ho an’ny fandriampahalemana tsaratsara kokoa, fampandrosoana lovain-jafy ary fampanjakana ny maha olona na aiza na aiza ary amin’ny fotoana rehetra”.
“Tsy maintsy miatrika ireo fiovana misongadina efa mandeha isika, tsy maintsy mametraka safidy ary mampifanaraka ny asantsika amin’ny fanatanterahana izany”. Hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana. Nandritra io fandraisam-pitenenany io ihany koa no nanamarihany fa mizotra mankany amin’ny lamina marolafy izao tontolo izao, na izany aza, nampitandrina izy fa tsy feno io tetezamita io ka tokony laharam-pahamehan’ny satan’ny Firenena mikambana ny fanajana ny lalàna iraisam-pirenena sy ny ny fiarovana ny zon’olombelona.
Na dia eo aza ny halehiben’izany fanamby izany. Azo atrehina tsara izany, ao anatin’ny fivondronana sy fanomezan-danja ny fifampiresahana. “Tontolo iray tsy anjakan’ny tsimatimanota sy mitaky tamberin’andraikitra bebe kokoa, mampihena ny tsy fitoviana fa mampiroborobo kokoa ny rariny no tokony hajoro”, hoy i Antonio Guterres.

Lin

Partager sur: