Handball – Mada 2024 : hiatrika ny CCCOI izay tompondaka

Araka ny tapaka teo anivon’ ny fikambanan’ny handball eto amin’ny ranomasimbe India­nina (AROI), hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2024). Hampiantrano izany ny ligin’ Analamanga ka raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny 14 ka hatramin’ny 23 novambra 2024, izany fihaonana ho an’ny ekipa aty amin’ ny ranomasimbe Indianina izany.
Mialoha izany anefa, hisy ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy.
Hanana ny lanjany lehibe tokoa izany fihaonana izany. Satria, hisolo tena an’i Mada­ga­si­kara amin’io fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina io, izay tompondaka eo. Hatao eto Antananarivo ihany koa izany fifaninanana izany, ny 20 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao.
Hiatrika ny CCCOI ireo ekipa roa manao ny famaranana ho an’ny sokajy lahy sy vavy. Notsiahivin’ny tomponandraikitry ny federasiona fa hifarana ny 10 oktobra izao ny fanaovana ny fifindran-toeran’ ny mpilalao. Io daty io ihany koa no fara-fandefasana ny anaran’ireo mpilalao 25 ao anaty lisitra vonjimaika sy ny taratasy mahakasika ny fifindran’ireo mpilalao. Hatao ny 19 oktobra ny fivoriana teknika sy fanamafisana ny fandraisana anjara ary fanaterana ny lisitry ny mpilalao 18.

Tompondaka

Partager sur: