INDRAY MIJERY

Nanatanteraka hetsika mahakasika ny fiantohana ny mpianatra manoloana ny loza an-tsekoly ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny Ofisy Nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (Onapascoma) tao amin’ny Dren Atsinanana, ny herinandro lasa teo. Nisy fanofanana ireo talen-tsekoly miisa 50 avy ao amin’ny Cisco Toamasina I sy Toamasina II ary natrehin’ny «SAF Pascoma» fito avy ao amin’ny faritra Atsinanana. Teo koa ny fanofanana ireo «SAF» rehetra.
Nisy ny atrikasa fampivoarana ny fiofanana
arakasa iarahana amin’ny sehatry ny rano. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa “Defi Eau” izany. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, amin’ny fananganana lalam-piofanana amin’ny sehatry ny rano ahazoana ny diplaoma “Licence” sy “Master”. Oniversite dimy eto Madagasikara no hisitraka izany : IST Antsiranana sy Antananarivo ary Ambositra, ny oniversiten’Antsiranana ary ny oniversiten’Antananarivo. Haharitra 36 volana ny tetikasa ary vatsian’ny Vondrona eoropeana vola.
Nankalazaina, omaly, tany Antsirabe ny andro maneran-tany ho an’ny farmasiana. Lohahevitra nentina nanamarihana izany ny hoe: «Farmasiana, miatrika ny filana ara-pahasalamana maneran-tany». Nisy ny hetsika fampahafantarana mahakasika io tontolon’ny asa io tany an-toerana. Ahitana hetsika maro any an-toerana, toy ny fampirantiana, karazam-panentanana amin’ny endriny maro. Tonga nanotrona ny fankalazana ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao VyVato, izay notronin’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra. Nanao antso amin’ny fitondram-panjakana izy ny tokony hijerena ireo fanararaotana ny vidin’ny fanafody mba hitsinjovana ny mponina.

Partager sur: