Nantenaina : hisehatra ao amin’ ny Cibus Toamasina

Na eo aza ny andraikitra goavana sahaniny, tsy nitsahatra tamin’ny mozika i Nantenaina. Nahala kosa ny fiakarana an-tsehatra, na dia eo aza ny hetahetan’ireo mpankafy. Ho famaliana azy ireny, hisy ny seho izay hotontosainy ao amin’ny Restaurant Cibus any Toamasina ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Haka endrika fampisehoana mihitsy, satria haharitra ora maromaro izany. Hitetezan’i Nantenaina sy ny tariny ireo hira nanamarika vanim-potoana maro ihany koa, manomboka any amin’ireo voarakitra tao anatin’ny rakikira  « Zanak’Ambanivolo », mandalo ireo tao anatin’ny « Volan’écolage », ka hatramin’ireo hira vao nivoaka faramparany.
Tsiahivina fa anisan’ireo mpanakanto nisolo tena an’i Toamasina nandritra ny « Angaredona Mozika Festival » farany teo i Nantenaina. Tsapa tamin’izany fa maro mpankafy ireo hirany, indrindra ireo tsy afaka am-bava toa ny « Fakam-panahy », « Veronique », « Sentosento », sns. Nampanantena izy nandritra izany fa hiaka-tsehatra bebe kokoa, ato ho ato.

Zo ny Aina

Partager sur: