Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray nikasi-tanana ny sakaizany tetsy amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nokorontaniny ny mponina manodidina azy ireo.
Nampihatra herisetra tamin’ny sakaizany, notanana ataon’ny zandary fanadihadiana ny teratany vahiny iray teny Ambodifarihy, fokontany Atsimomparihy, kaominina Ambohidratrimo. Niaraka tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny Ivato ilay vazaha sy ny sakaizany ny alin’ny 24 hifoha 25 septambra. Nisy ny tsy nifankazahoana ka nodarohany ilay vehivavy. Namonjy fodiana, nitohy hatrany amin’ny trano fonenan’izy roa ny herisetra. Nodoran-drahalehilahy avokoa ny entan-dramatoa, toy ny akanjo fitafy sy entana fampiasany. Tsy nijanona tao an-tokantrano, nokorotan’ilay vazaha avokoa ny mpiray vodirindrina aminy. Nanamparany ny ramatahora sy ny fanambaniana.
Nitoroka ny nahavanon-doza
Nanoloana ny vono sy daroka nahazo azy, nitoroka teny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ilay vehivavy lasibatra. Nidina hijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Efa kilan’ny afo nodoran’io lehilahy avokoa ny entany. Nentina natao famotorana ilay teratany vahiny. Manaraka fitsaboana manoloana ny daroka sy vono nahazo azy ilay sakaizany. Mandray an-tanana ny famotorana ny raharaha kosa ny mpitandro filaminana. Nohazonina amin’ny toerana azo antoko hisorohana ny savorovoro io teratany vahiny io.
Tsiferana R.